Comité Rainizafimanga à Madagascar

LALANA FOTOTRA ITONDRANA NY FIKAMBANAN'NY
TERAK'ITOMPOKOLAHY RAINIZAFIMANGA SY ITOMPOKOVAVY RASOAVELO

I - FIFORONANY - ZAVA-KENDRENY

And. voalohany - Mitsangana eto MADAGASIKARA ny Fikambanana iray atao hoe : "TERAK'ITOMPOKOLAHY RAINIZAFIMANGA sy ITOMPOKOVAVY RASOAVELO".
And.2. - Ny Foiben-toerana dia ao amin'ny tranon'ny Filoha.
And. 3.- Ny tarigetran'ny Fikambanana dia : FIHAVANANA, FIRAISAN-KINA? SY FIFANKATIAVANA ary FIFANAMPIANA.
And.4.- Ny Fikambanana dia mifanaraka amin'ny Didy Hitsivolana laharana faha-60-133 tamin'ny 3 Oktobra 1960.
And.5.- Ny Fikambanana dia tsy manaraka firehana politika, na antokom-pinoana ary tsy manao avakavaka ara-pirazanana.

II - NY MPIKAMBANA

And.6.- Ny Mpikambana misalahy : ny antsoina amin'izany dia ny olona mihoatra ny valo amby-folo taona zanak'izy valo mianadahy sy manambady ny taranak'izy valo mianadahy, dia :

  • Itompokolahy RASOAMANANA sy Itompokovavy RAZAFIMANGA
  • Itompokolahy Dokotera RAJAOFERA sy Itompokovavy RAZAFINDRASOA
  • Itompokolahy RANAIVO-RAINIZAFIMANGA sy Itompokovavy RATSARAIBE
  • Itompokolahy RAJAOFERA sy Itompokovavy RAZAFIMALALA
  • Itompokolahy RASAMOELY-RAINIZAFIMANGA sy RAVOLOLONA
  • Itompokolahy RAKOTOMANGA James sy Itompokovavy RATSARAIBE
  • Itompoklahy RAZAFIMAHAZO Gilbert sy Itompokovavy RAMANDRESIAVONA
  • Itompokolahy RAMANANANDRAITSIORY sy Itompokovavy RABODOMANGA

III- FANDAMINANA

And. 7. - Ny Komity :Komity fidin'ny isan-dreniny no mitondra ny Fikambanana.
And.8. - Dimy isan-dreniny no ao anatin'ny Komity. Tsy andraisam-bola na karama ny asan'ny Komity.
And. 9.- - Ny Birao : Latsa-bato miafina na tsangatànana no ifidianan'nyKomity izay olona ho ao amin'ny Birao. Tsy andraisam-bola na karama ny asa sahanin'ny olona ao amin'ny Birao.
And.10.- Toy izao ireo olona ao amin'ny Birao mpitantana ny Fikambanana :
- Filoha iray, fara-faha-keliny
- Filoha lefitra roa, fara-faha-keliny
- Mpandraharaha - Tonia roa
- Mpitahiry vola - Tonia roa
- Teteza-mita isan-dreniny roa
And.11.- Raha misy tsy fahafahan'ny olona iray ao amin'ny Birao, hanohy ny asany dia mifidy olona iray hisolo azy ao amin'ny Komity.
And.12. - Indroa isan-taona raha kely no mivory ny Komity araka ny fiantsoan'ny Filoha. Azon'ny Birao atao ny miantso ny fivoriany tsy ara-potoana raha misy ilana izany.
And.13.- Rehefa voamarin'ny Mpandraharahan-Tonia fa nahazo fampandresena, na voakasiky ny fampandrenesana ny fianakavian'ny Komity, dia manankery ny fivoriana, ka mahazo manapa-kevitra izay tonga amin'ny fivoriana.

IV - FIVORIAMBE

And.14. - Ny fivoriana itambaran'ny Terak'Itompokolahy RAINIZAFIMANGA sy Itompokovavy RASOAVELO no atao hoe FIVORIAMBE.
Ny fivoriambe dia indray mandeha isan-taona raha kely indrindra. Mahazo manao Fivoriambe tsy ara-potoana raha misy hilàna izany.
And.15. - Ny Fivoriambe no mandray ny tatitra atolotry ny Biraon'ny Komity, ka manaiky na mitsipaka izany, satria izy no tompon'ny fanapahana farany.
And.16. - Ny Fivoriambe dia afaka manome foto-kevitra hitondrana ny Fikamabanana.

V- NY ANDRAIKITRY NY MPITONDRA
And. 17.-
Ny andraikitry ny Komity dia :

- Fanatanterahana ny hevitra tapaky ny Fivoriambe sy ny tarigetran'ny Fikambanana,
- Fanaovana fandaminana tsy mifanohitra amin'ityfitsipika ity sy ny lalàna Anatiny,
- Fampitana amin'ny isan-dreniny izay asa tokony katrohan'ny Fikambanana,
- Fifidianana ny Biraony.
And. 18.- Andraikitry ny Birao : - Ny Birao no mamolavola ny soritr'asa, sy ny fitsipika ary ny fanetsiketsehena ny Fikambanana.
And.19. - Toy izao no firafitry ny Birao sy ny anraikiny avy :
a)- Ny Filoha no misolo-tena ny Fikambanana eo anatrehan'ny Fanjakana, tompon'andraikitra amin'ny asa tapaky ny Fikambanana,
b) - Ny Filoha lefitra : no manampy na misolo azyraha misy mahasampona azy,
d)- Ny Mpandraharaha - Tonia : no mitantana, manara-maso ny asa, ary mpanetsiketsika ny Fikambanana.
e) - Ny Mpandraharaha-Tonia faharoa : dia miara-miasa amin'ny mpandraharaha-Tonia, ary misolo azy raha misy mahasampona azy;
f)- Ny Mpitahiry vola-Tonia : no handray sy mamoaka ny vola , ka mitana ny bokim-bola rehetra.
Izy no tompon'andraikitra amin'ny fananan'ny Fikambanana

g)- Ny Mpitahiry vola-Tonia faharoa : miombon'andraikitra amin'ny Mpitahiry vola-Tonia, ary misolo azy raha misy fahasamponany.
h)- Ny Teteza-mita dia mamory ny volalatsa-kemboka isan-dreniny, mampandre ny Birao amin'izay miseho eo amin'ny fianakaviana, mpanetsiketsika ny tompon'andraikitra amin'ny fanatanterahana ny asa no amin'ny fianakaviana soloany tena.
i)- Ny Mpanamarina ny toe-bola : manamarina nyfidirana sy ny fivoahan'ny vola araka ny bokim-bola sy ny taratasy fanamarinana rehetra (Tsy ao anatin'ny Komity ireo mpanamarina ny toe-bola ireo).
And.20.- Ny fidiram-bolan'ny Nikambanana :
- Latsakemboky ny mpikambana misalahy
- Fanomezana avy amin'ny mpikambana, avy any ivelan'ny fianakaviana
- Vokatry ny lanonana sy ny asa ataon'ny Fikambanana
An.21.- Ny famoaham-bolan'ny Fikambanana :
- Ho amin'izay mifanaraka amin'ny fitsipiky ny Fikambanana
- Ho amin'ny vola lany, amin'ny fampandehanana nyasan'ny fikambanana
- Ho amin'ny fehim-pihavanana
and.22.- Tsy misy fetrany ny faharetan'ny Fikambanana
and.23.- Ny fandravana dia tsy tanteraka raha tsy eken'ny 3/4 ny mpikambana.
and.24.- Raha misy faharavan'ny Fikambanana : ny fananany dia atolotra Fikambanana Malagasy iray mpanao asa soa.

Retour sommaire Comité Central Madagascar