Courrier du 27 septembre 2002

VETSOVETSO d'ERIC...

Tononkalo vitsivitsy

                     

 


Poème  d'Eric Jaofera - zafipaladia de Rainizafimanga

[ Qui est Fredy Jaofera? ]


   

LAVIKO  

RAHA NY TENY HAFA INDRAY 
NO MISOSASOSA SY MBA HAY, 
MILA HOE AHAVOAZANA 
NOHO NY TENINDRAZANA, 
DIA AZO EKENA IHANY... 
FA LAVIKO AVY HATRANY 
RAHA NY TIAKO INDRINDRA 
SY NY MASINA AZO ARINDRA . 

             Fredy JAOFERA 

TOKY FITAKA  

Ahoana moa no inoako

Fa tia dia tia ianao

Ra’mandratra itony foko

Sy mandentika ahy no atao ?  

Ahoana no atokisako

Fa ianao no fenomanako

Ra’tsy tia ny paradisako

Sy tsy mitady izay hiadanako ?  

Ahoana no ahafantarako

Fa andry tsy ho voasolo

Ra’aozongozona ny tsarako,

Tsy tiana hitsangana daholo ?  

Ahoana no ahatsiarovako

Fa mbola harena sarobidy

Ra’manda ‘zay mba tandrovako

Sy tsy mikendry hiray safidy .  

Fredy JAOFERA

NY FOKO SY NY FONAO  

Mazava tsy azo takonana,

Tsy ravan’izay fialonana,

Tsy taitran’izay maso vao

Raha ny foko sy ny fonao.

 

Ny Avo no efa nanambatra,

Natao hiaraka ho sambatra,

Natao hiaraka hiangola,

Hitobaka harena sy vola.  

Ny Anjara no efa nametra

Hibaiko ny zava-drehetra

Ary hitondra ity tany ity

Haneho ilay tena fitia.  

Ny Lahatra no efa voatendry

Handrafitra soratra hendry,

Hampitombo ireo voninahitra

Hitsimoka tahaka ny ahitra.  

Ny Vintana no efa voambara

Hitetika ny soa sy ny tsara,

Hivatsy izay hoe hafaliana,

Notadiavina sy mba nofidina.  

Ny taona no mbola hifanesy

Hampiainga mbola handresy;

Fa ny foko sy ny fonao

Dia najoro tsy hifandao.

                                                                             Fredy JAOFERA    

IZAHO VE NO ADALA ?

Izaho ve no adala f’efa olona tsy tiana

Dia asainy mbola hotiavina

Sa iriny ny hampahosa sy ho feno fijaliana

Hahazoany izay tadiavina ?  

Izaho ve no adala f’efa andry tsy antenaina

Dia terena mbola hiankinana

Sa metimety aminy ny ananan-tebin-tsaina

Sy ny tsy hahazo fanambinana ?  

Izaho ve no adala f’efa aloka nandavo

Dia asainy mbola hiverenana

Sa mahasoa azy ny tsy ahafahako miravo

Sy ny hananam-panenenana ?  

Izaho ve no adala f’efa ratsy lavareny

Dia terena mbola harahiko

Sa ny hahapotika ahy no efa tiany ombieny

Ka hampahory ny fanahiko ?  

Fredy JAOFERA

AZONAO ATAO  

Azonao atao ny tsy hitahiry intsony

‘Zay efa alahelo tsy hita ho nitony;

azonao atao ny handrovitra ny sariko,

ny hamotika avy izay rehetra hariko;

azonao atao ny handoro diam-penina:

irony soratsoratro saika hoe nafenina;

azonao atao ny hanolo ny hirantsika,

na tiako loatra sy mbola tsy voadika.

Azonao atao !...  

Fa ny fitiavako ny teniko

Sy ny fitiavako ny reniko

Ary ny fitiavako ny taniko

Ao ambadiky ireo tomaniko

No harena sisa tafajanona,

Miroborobo sy mba vanona.  

Fredy JAOFERA

VAVAK’ILAY POETY  

Ataoko ahoana moa, ry Ray,

No tsy hisaotra Anao indray

Tamin’ireny andro maro be

Feno tsiky vao mandeha ?  

Ataoko ahoana ny hanadino

Ka ‘ty ny saiko re vimbino,

Inty ny foko re mba ento,

Na dia lavitry ny sento ?  

‘Reny oram-batravatra,

toa nikija sy nandratra,

mbola ataovy fifaliana

tsy hahitako fijaliana.  

‘Reny ora nampangidy,

tsy mba tery nasafidy,

mbola ataovy varavarana

hahitako fahasambarana.  

Ry Tompo ô !...Ongoty

Ny alahelon’ny kamboty

Ka enga anie ‘zay faniriana

Ho tanteraka mangina.  

Ny mahantra sy ny ory:

Tsy miadan-tsaina akory,

Ka tsinjovy lalandava

Mbola hahita ny mazava.  

Andriamanitra ô !Tahio

Ny fiainako eto anio,

Ary ho Anao anie ny Laza

Sy ny Dera izay sahaza.  

AMENA  

Fredy JAOFERA ANTSIRABE (1985)

NY EO AMIN’I DADA SY NENY  

Ny eo amin’i Dada sy Neny

Raha lazalazaina ny habeny,

Raha fotopotorana ny lanjany

Sy resadresahana ny tanjany:

Fianarana ny soa sy ny tsara

Hahamiratra foana ny anjara.  

Ny eo amin’i Dada sy Neny

Raha tantaraina ny hareny,

Raha eritreretina ny vitany

Sy voavisavisa ny hitany:

Mbola hasambarana marina,

Tsy hain’ny na iza takarina.  

Ny eo amin’i Dada sy Neny

Raha averimberiko ombieny,

Dinihina ambony sy ambany

Sy hafatrafarako hatrany:

Fiomanana  ny ho avy rehetra

Ho lavitry ny sento sy tsetra.  

Ka na rahoviana miteny,

Mbola omeo haja izy ireny,

Omeo tambitamby mangina,

Omeo izay mety hafaliana,

Isaory ny Tompo isan’andro

Fa mbola mana-masoandro.  

Ary rehefa mba hary elatra,

Nikopaka sy toa nivelatra,

Ka nahazo ny toerana avo,

Rehareha mbola maharavo:

Isaory i Dada sy Neny,

Tiavo foana ombieny.  

Fredy JAOFERA

TAIZA IANAO ?  

Taiza ianao fony tsy nanan-kifikirana

Ny saiko nisavoro ?

Taiza ianao fony tsaroako nanahirana

Ny aloka nijoro ?

 

Taiza ianao fony tsy nanan-kianteherana

Ny foko manjoetra ?

Taiza ianao fony nitombo sy tsy ferana

Ny ora nampitsetra ?

 

Taiza ianao fony tsy nanan-kantenaina

Ny toky nifotorana ?

Taiza ianao fony saika very maina

Ny fenitra nizorana ?  

Taiza ianao fony tsy nanan-kitokisana

Ny raoziko nitia ?

Taiza ianao fony tsy nanam-pahamafisana

Ny heriko malia ?  

Fredy JAOFERA

REHEFA NY MPITONDRA …  

Rehefa ny mpitondra no mifikitra aok’izany

Ny seza be madera,

Misy antony ao aloha izay fantatrao ihany :

Matahotra hianjera !

Rehefa ny mpitondra no tsy mahita intsony

Ny fijaliam-bahoaka,

Dia efa olon-kafa,mihevi-tena ho ambony,

Mitady basy hipoaka.

Rehefa ny mpitondra no manao didy jadona

Ny fahefana azony,

Dia efa fitondrana tsy manana ny gadona,

Hiteraka ny tazony.

Rehefa ny mpitondra no mila hampiasa hery

Hanavotan-tena,

Dia manam-pahavoazana sy efa rako-pery

Amin’ny firenena.  

Fredy JAOFERA

MANJARY FAHAZARAKO  

Rehefa iny malahelo ka mitady hararirary,

Efa tonga fahazarako ny mijery foana sary :

Ilay sarinao tsy foiko nindramiko mangina

Hamoha indray hatrany ireo hany fifaliana.  

Rehefa iny ka maniry ho eo anilanao

Kanefa toa tsy afaka fa zary mitalaho;

Efa lasa fahazarako ny manoratra eto lava

Anadinoana kely izay mety tsy misava.  

Rehefa iny vizambizana kanefa lavi-tiana,

Tsy hitahita ihany izay mety mahaliana;

Efa tonga fahazarako mameno ora banga

Amin-kalo iray malaza tsaroako tena manga.  

Rehefa iny ka irery sy mila ho manimanina,

Miova sehatra avy,na hatramin’izay tazanina ;

Manjary fahazarako ny miandrandra ny Avo indrindra,

Mbola hivavakaho antsika hiadam-piainana mirindra.  

Fredy JAOFERA  

ANDRIAMANITRA  

Andriamanitra irery

No mahita ny ato am-poko,

Ka tsy nahay namery

Raha nisy aloka nisoko !  

Andriamanitra ihany

No mahita ny ato an-tsaiko,

Ka atokisako avy hatrany

Rehefa reraka ny aiko !  

Andriamanitra Tsitoha

No mibaiko itony fiainako,

Ka n’inona n’inona manjo,

Mbola Izy no hitarainako .  

Andriamanitra tsy foy

No Mpitarika ny làlako,

Ka na tsisy izay fivoy,

Mbola Izy no tsy halako.  

Fredy JAOFERA

IOMBONAKO  

Iombonako aminao rehefa misy ny hafaliana

Iainana isan’andro sy misosa moramora ;

Iombonako aminao rehefa indro fitahiana

No mandrakotra eny, na minitra na ho ora.

Iombonako aminao rehefa misy ireo tomany,

Mipatrapatraka sy lazaina toa tsy telina ;

Iombonako aminao rehefa indro fa ny tany

Mitondra fahoriana sy mila hanelingelina.

Iombonako aminao rehefa indro fa ny hafatra

Mba feno fahasambarana sy mody tena miafina;

Iombonako aminao rehefa indro tonga lafatra

Ny hita rehetra rehetra sy izay efa tarafina.

 

Fredy JAOFERA

NY HAVANA  

Haingo raha vory vahoaka,

Fihambo raha toa ka mahay,

Mampiravo fa tsisy mandroaka

‘Zany havana mandrakizay.  

Tsaroana rehefa mba mifoha,

Ra’ilaozana maha-be alahelo,

Mampitony rehefa indro ny fo

Manimanina sy mamelovelo.  

Raha ory dia miaraka ory,

Raha faly dia miaraka faly;

Ka na aiza no mbola matory,

Manarina ny potraka omaly.  

Mahatsiaro ny kibo niraisana,

Manaja izay rà niombonana;

Tsy esoina na omena ny faisana

Fa vohaina hatreny an-tokonana.  

Tsy mihavana fa misy patsa

Na mitia fa manan-karena;

Fa dera tsy fantan’ny latsa

Mandravona ireo fahendrena.

                                                                                 Fredy JAOFERA


Eric RAKOTOMALALA        8, rue des Goncourts 75011 Paris tel:  01 43 38 98 09


Le mot Manga?

 

N'hésitez pas à nous envoyer votre  Pensée de jour à transmettre sur le tranon-kala

Tous les Rainizafimanga sont invités à participer à l'élaboration et l'amélioration  du site RAINIZAFIMANGA

"Ensemble faisons vivre notre site"   

"Izay tsy mahay sobika mahay fatram-bary"

 

Sommaire "Les Reflexions"