VETSOVETSO d'ERIC...
TAIZA IANAO?
Poème d'Eric Jaofera - zafipaladia de Rainizafimanga
Taiza ianao fony tsy nanan-kifirana
Ny saiko nisavoro?
Taiza ianao fony tsaroako nanahirana
ny
aloko nijoro ?
Taiza ianao fony tsy nanan-kianteherana
ny foko nanjoretra?
Taiza ianao fo nitombo sy tsy ferana
ny ora nampitsetra?
Taiza ianao fony tsy nanan-kantenaina
ny toky nifotorona?
taiza ianao fony saika very maina
ny fenitra nizorana?
Taiza ianao fony tsy nanan-kitokisana
ny raoziko nitia?
Taiza ianao fony tsy nanam-pahamafisana
ny heriko malia
Eric Fredy Rajaofera
18 juin 2001
8 rue des Goncourts
75011 Paris
France
Eric RAKOTOMALALA 8, rue des Goncourts 75011 Paris tel: 01 43 38 98 09
N'hésitez pas à nous envoyer votre Pensée de jour à transmettre sur le tranon-kala
Tous les Rainizafimanga sont invités à participer à l'élaboration et l'amélioration du site RAINIZAFIMANGA,
"Ensemble faisons vivre notre site"
"Izay tsy mahay sobika mahay fatram-bary"
![]()