|

|
Vao mahita an'i Jao ianao dia mety hihevitra fa
karana izy na ny sahalahala amin'izany. Raha mandre azy miteny dia mety hilaza
fotsiny izao hoe vazaha miteny gasy ity satria tena miraiki-dela tokoa i Jao.
Tsy dia mahagaga izany satria ny fahazazany mihitsy no voavolavola tamin'ny
teny frantsay, tamin'ny tontolo frantsay. Nisy fotoana rahateo nipetrahany
tany Frantsa. Nahazo anarambositra mihitsy izy mirahalahy tany ambanivolony (Ambohipanja)
hoe : Gasy tsy mahay miteny gasy". Niempo ny hambom-pon'ny lehilahy ary
mbola tsapany ihany fa Malagasy izy ka nikirizany mafy noho izany ny hamolakà
ny tenin-drazany . Io hambom-po haneho ny maha gasy io no isan'ny antony
iray nahatonga azy ho mpanoratra. Na izany na tsy izany anefa dia azo lazaina
fa ra mikoriana ao amin'izy mianakavy io soratra io. Efa nanana ny lazany
manokana i Fredy Rajaofera tamin'ny fotoan'androny. I Fredy Jaofera tokoa
mantsy dia tsy i Fredy Rajaofera fa zafikeliny. Malaza eo amin'ny sehatra
fanaovan-gazety ny anarana hoe Rajaofera, efa any amin'ny sehatra ny haino
aman-jery koa izy amin'izao fotoana izao ary efa tonga any amin'ny politika
aza. Mpanao gazety Rajaofera Elise renin'i Jao, manam-pahaizana ambony tao
amin'ny asa vaventy ny rainy Rakotomalala Eugène LOUIS, ny 30 Aprily 1962 no
tonga teo amin'izao fiainana izao ry zalahy. Roa lahy izy no iray tampo, i
Jaofera no zokiny.
Telo lahy ny zanaky Fredy Jaofera ankehitriny ary
azo antoka fa misy Jaofera koa ny anaran-dry zalahy ireo. I Vero no silaky ny
fanahiny ka nampiteny azy hoe : "Nony nisy i Vero, saino sy hevero ary
mba diniho ny lalako eto anio, fa zary fitoniana azoko itokiana, zary fanajana,
tsy azonao ravana ; zary lamin-tsaina mamelombelon'aina, zary koa fitiavana
mitombo toman-davana".
Mitana toerana lehibe eo amin'ny fiainan'i Jao ny
teny : ny teny Anglisy rehefa mampianatra ny teny Frantsay rehefa miresaka (amin'ny
fianakaviana) ; ny teny malagasy rehefa manoratra.
|
Mpikambana ao amin'ny fikambanan'ny mpanoratra
HAVATSA izy ary niditra tao amin'ny FARIBOLANA SANDRATRA ny 24 Febroary 1991.
..Izay no Fredy JAOFERA atao indray mijery.
_FANAMARIHANA : Tamin'ny Ambioka laharana faha 7
no nampahafantarina an'ILAY kanefa ny tena zavadehibe tamin'ny fiainany no tsy
voalazanay ka ialan-tsiny aminy indrindra. Manana silam-panahy izy ka ny vady
andefimandrin-dRalaisaholy dia tsy iza fa i HOLY.
Haingo
raha vory vahoaka,
Fihambo
raha toa ka mahay,
Mampiravo
fa tsisy mandroaka
'
Zany havana mandrakizay.
Tsaroana
rehefa mba mifoha,
Ra'
ilaozana maha-be alahelo,
Mampitony
rehefa indro ny fo
Manimanina
sy mamelovelo.
Raha
ory dia miaraka ory,
Raha
faly dia miaraka faly ;
Ka
na aiza na aiza no mbola matory,
Manarina
ny potraka omaly.
Mahatsiaro
ny kibo niraisana,
Ary
manaja izay ra niombonana ;
Tsy
esoina na omena ny faisana,
Fa
vohaina hatreny an-tokonana.
Tsy
mihavana fa misy patsa
Na
mitia fa manan-karena ;
Fa
dera tsy fantan'ny latsa
Mandravona
ireo fahendrena.
TENY
ROA
(vetsovetso
d'Eric à la soirée des Juniors ARF)
Manambara
ny ato am-poko ;
Ny
voalohany dia ny "tiako",
Ny
faharoa dia ny hoe :"ianao" ;
Tsy
voasoloko eto an-tany;
Teny
roa...Tsy mihoatra !
No
mbola sarotra kosehina ;
Tsy
hay akoro na potehina.
Le
mot Manga?
|